VAOVAO TAMBATRA

Hisy fiofanana miompy trondro ny 1 sy 2 febroary izao, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono Ampandrianomby. Voakasik’izany ny fiompiana trondro an-dobo, an-tanimbary ary ny dobo vita simenitra. Eo koa ny sakafon-trondro, ny fitantanana ankapobeny sy ara-bola, sns. Maimaimpoana ny fiofanana.

Manome fe-potoana fanampiny hatramin’ny 29 febroary 2024 ny fitantanana ankapobeny ny hetra (DGI). Voakasik’ity fepetra ity ireo orinasa nanaovana fitsirihana antontan-taratasy sy/na fisavana ifotony, ka namoahana fampandrenesana voalohany tamin’ny volana desambra 2023. Afaka mandefa valinteny fanampiny mandra-pahatonga io daty vaovao io ny orinasa.

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitaterana ny delegasiona avy amin’ny orinasa Madintex avy any Mayotte. Noresahana ny hanamafisana ny sehatry ny zotram-piaramanidina mivantana mitondra mpandeha sy ny fitateran’entana. Anisan’ny vokatra azo aondrana any Mayotte ny hazandrano, ny voankazo sy legioma, sns.

Nahazo kojakojam-pamokarana ny tantsaha any amin’ny kaominina sady distrika Am­ba­toboeny, ny 21 janoary teo. Masomboly vary an-drano 450 kg, zezika NPK 750 kg ary zezika biolojika 3 750 kg no azon’ny mpisitraka miisa 30. Avy amin’ny tetikasa “Purpa”, vatsian’ny Bad vola, iaraha-miasa amin’ny Fida, ny hetsika.

Partager sur: