“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Senegal

Noravan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny nofinofin’ny Lionan’i Teranga Senegal, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny dian-dry zalahy.

Lavo ny andrarezina. Nifa­rana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny kianja Charles Konan Banny de Ya­moussoukro, ny lalan’ny Lio­nan’i Teranga Senegal, tompondaka farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2024). Notaperin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny nofinofin-dry zalahy. Resiny tamin’ny fandakana ny “tirs au but”, 5 no ho 4, ireto Gôliatan’i Afrika ireto. Raha tsiahivina, nanokatra ny isa voalohany ny Liona, tamin’ny alalan’i Diallo, teo amin’ny minitra faha-4, taorian’ny tolotra nataon’i Mané. Efa tany amin’ny faha-85 mn kosa vao nosahalain’ny Elefanta izany, taorian’ny “penalty” tafiditr’i Kessié. Nentin’ny roa tonta nisaraka io isa mitovy 1 sy 1 io. Niditra tamin’ny fanalavam-potoana saingy tsy mbola nisy nivoaka ho mpandresy ka tany amin’ny fandakana ny “tirs au but” vao afaka ny Elefanta. Tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire indray izany i Senegal. Raha tsiahivina, tamin’ny 2013 ny fihaonana ofisialy nikatrohan’ny roa tonta farany niadiana ny tapakila, hiatrehana ny “Mondial 2014” ka resin-dry Drogba, tamin’ny isa 3 no ho 1, ry zalahy tamin’izany.
Marihina fa vitan-dratsy ho an’ny ekipa tompondaka ny “Can”, tao anatin’ny 7 taona noho mankaty. Izay nahazo ny amboara tsy nisy nihoatra ny ampahavalon-dalana. Ny taona 2012, tompondaka i Zambie, tsy nivoaka vondrona nandritra ny “Can 2013”. Tsy nahazo ny tapakila hiatrehana ny “Can 2015” i Nigeria tompondaka 2013. 2017, tsy nivoaka vondrona ny Elefanta ary ny 2022, resy ampahavalon-dalana i Cameroun. Ta­min’ny 2022, anjaran’i Algerie indray ny tsy tafavoaka vondrona ary tamin’ity dia i Senegal.

Tompondaka

Partager sur: