Moto- Mathias Plantive : nandresy tamin’ny dingana voalohany

Nanjakan’i Mathias Plan­tive ny fifaninanana nasionaly dingana voalohany “1ère man­che”, taranja Moto cross, sokajy “Elite 1” izay notanterahina teny Ambohidava, ny alahady 28 janoary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany rehefa nahavita “tours” 12 tao anatin’ny 20 minitra, ka nahazoany isa 50. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida, isa 40 ary fahatelo, Rakotoarimanana Ran­dy, isa 32.

Mbola ao anatin’ny tanjany tsara, araka izany, i Mathias. Tsiahivina fa izy no tompondakan’i Madagasikara tamin’ny MX sy Enduro, taona 2023. “Tanjona ho ahy ny hitazona ny anaram-boninahitra efa azoko”, hoy i Mathias. Mari­hina fa hotontosaina ny 11 febroary ho avy izao, any An­tsi­rabe, ny dingana faharoa amin’ity fifaninanana ity.

F. R

Ireo nahazo ny laharana voalohany tamin’ny
sokajy hafa :
Elite 2 : Andrianirina Andy
Juniors : Rakotoarimanana Jeremy
Vétérans 1 : Razafimahefa Tsirava
Vétérans 2 : Makboul Tarzan
Amateurs : Adolphe Alain Houssen
85 cc vehivavy : Chan Andriana
85 cc lehilahy : Guillaume Tsiranana
65 cc vehivavy : Ramanantsoa Louna
50 cc : Leung Yen Eros

Partager sur: