SOMBIM-BAOVAO

Nandray ny valin-kasasarany avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) avy hatrany ireo nahazo ny amboara sy mari-pankasitrahana nandritra ny lalao « Telma Coupe 2023 ». Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, teny Isoraka, izany. Ny FMF izay manao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny baolina kitra malagasy.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny seksiona Manandriana, taranja baolina kitra. Anisan’ireo mandrafitra ny ligin’Amoron’i Mania ity seksiona ity. Noho ny fiaraha-mientana eo amin’ny ligy any an-toerana sy ny FMF no nahafahana nahatontosa izao hetsika izao.

Norombahin’ny Golde ny tompondakan’ny ligin’Analanjirofo, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy U23. Marihina fa ity ekipa ity no hisolontena an’Analanjirofo amin’ny fifaninanam-paritra “De la Rue vers l’Or”, hotanterahina eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy izao.

Hifanandrina amin’ny Olympique Lyonnais ny Olympique de Marseille, ny alahady ho avy izao any Lyon. Marihina fa ity no andro faha-20 fiadiana ny ho tompondakan’i France, taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, tsy afaka manatrika io lalao io ireo mpijerin’ny Olympique de Marseille.

Partager sur: