INDRAY MIJERY

Natao ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny fampianarana ambony mpisolo toerana, Pr Rakotozafy Rivo, sy ny tale vaovao, Dr Ramahazosoa Irrish Parker. Fanambin’ny tale vaovao ny hiantoka ny filaminan’ny fanadinana bakalorea, ny fandaminana ny fisoratana anarana. Manome toky ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny ny tenany.

Nitsidika ny Akanin’ny marenina (Akama) etsy 67 Ha ny filohan’ny komity lehibe Mpanazava sy Tily eto Madaga­sikara. Anisan’ny nanampy tamin’ny fananganana ny sampana skoto ato amin’ny Akama izy ireo. Mamolavola tanora tsy ankanavaka anaty mampiaty ny skoto ary anisan’izany ireo ankizy marenina.

Nampahafantarina nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa voatendry ho tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana ny Dr Rakotonavalona Rivomalala ary tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana ny Dr Ramarolahy Rija. Samy efa nitazona andraikitra teo anivon’ny minisitera avokoa izy ireo.

Tsy manana olana amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitra Ambato Boeny ny ben’ny Tanàna, Rakotonandrasana Jean Valérien, nandritra ny efatra taona niasany. Mbola nahazo 13ème mois izy ireo nandritra ny fety roa sosona. Fitantanana mangarahara no natao nahafahana nitondra fampandrosoana.

Partager sur: