Mila tolo-tanana koa i Lalie. Marary ka nampidirina ao amin’ny hopitaly Befelatanana i Lalie. Nanao antso hanampiana azy izy. Tazana amin’ny horonantsary nataony fa mibontsina ny kibony, ka mila fizahana isan-karazany vao afaka miroso amin’ny fandidiana. Tsy niandry ela fa avy dia nanao ny fanentanana ireo mpanakanto namany.
« Moramora ta mère ». Io no lohahevitra hoentin’
i Sombiniaina Fotsiny, amin’ny seho izay hotontosainy. Hatao anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, ao amin’ny No Comment Bar Isoraka. Fampisehoana hatsikana amin’ny fanaovany azy, satria manana ny mampiavaka azy ity mpanakanto ity.
Tontosa teny amin’ny Aft Andavamamba ny fampisehoana «Le Petit Bonhomme de riz”, an-dRandriamanantsoa Rianando Ludovic, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika. Mbola mahaliana ny maro hatrany ity horonantsary ity, 10 taona aty aorian’ny nivoahany. Nisy ihany koa ny atrikasa momba ny sarimihetsika teny an-toerana.
Tanterahina manomboka rahampitso, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, ny fampirantiana hosodoko, iarahana amin’i Mariam Amyra, vahiny mpiangaly hosodoko, monina eto Madagasikara. “Fun& Flow” no lohatenin’ity fampirantiana ity, rantin-tsary hanehoana zavatra roa samihafa ao anaty sary iray.