INDRAY MIJERY

Anjaran’ny distrikan’i Manja, kaominina Andranopasy, ny nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro ny mponina tao. Niisa
1 156 ireo olona nisitraka izany, tao amin’ny fokontany 7. Vary milanja 14 450kg no nozaraina.

Nisy ny fampiofanana ireo olona amin’ny fanamboarana rarivato “pavé” hanaovan-dalana teny Ambohidratrimo, ny alatsinainy teo. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny kaominina izany. Hidina ifotony ny minisitra rahampitso ary hanazava ireo mbola maniry ny hiofana. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny famoronan’asa ny hetsika.

Hahazo vahana ny alondrano avy atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana, atsimo atsinanana ary atsimo andrefan’ny Nosy. Hanonja be ny ranomasina eo anelanelan’ i Mananjary sy ny tanjona Angotsy sy eo anelanelan’i Mananjary hatrany Toliara. Nanomboka omaly hatramin’ny sabotsy ho avy izao ny filazana fampitandremana eo amin’ny tanjona Angotsy hatrany Toliara.

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny delegasion’ny Unicef notarihin’ny solontenany eto Madagasikara, Christine Jaulmes. Nambaran’ity tomponandraiktra ity fa miara-dalana amin’ny minisitera hatrany ny Unicef amin’ny fanatanterahana ny fanabeazana tsara kalitao ho an’ny zaza malagasy izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny.

Partager sur: