Mirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy ao Toamasina. Halatra moto, posy, vaky trano ary fanendahana no tena manjaka tanteraka ao an-toerana. Taorian’ny fivoahan’ireo voafonja nisitraka ny famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena no voalaza fa nampirongatra indray ity tsy fandriampahalemana ity. Vokany, andian-jiolahy tratran’ny fitsaram-bahoaka tao Morafeno Toamasina raha efa nifanenjehana eran’ny tanàna. Voalaza fa avy nangalatra posy ny iray raha tafaporitsaka niaraka tamin’ny posy kosa ny iray. Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny roa lahy ka saika namoy ny ainy mihitsy. Vono sy daroka no nihatra tamin’ireo farany. Feno ratra sy mangana ny vatany noho ny hatezeran’ny olona amin’ny asan-jiolahy miseholany ao an-toerana. Nandritra ny famotoran’ny polisy no nahafantarana fa anisan’ireo voafonja vao nivoaka rehefa nahazo fisitrahana tamin’ny famotsoran-keloka ry zalahy ireto. Anisan’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao Toamasina amin’izao fotoana. Tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny olona ka mitondra faisana izay tratran’izy ireo.
Sajo