Anatin’ny fiomanana tanteraka sy fiatrehana ireo dingana farany hahazoana ny tapakilan’ny lalao Olympika hatao any Paris, amin’izao fotoana izao, Rasoanaivo Razafy Laura, judokas malagasy.
Hiofana 3 volana any Hongrie i Laura, mialoha ny hiatrehany ny lalao afrikanina hatao any Ghana, ny volana marsa izao. Fiofanana tafiditra amin’ny fanomanana ny lalao Olympika. Zava-dehibe ho azy ity fiofanana ity satria judokas kalaza maneran-tany sy fanta-daza avokoa no hiatrika izany, any Hongrie. Mbola maro ny fandaharam-potoana sy ny fifaninanana miandry an’i Laura mialoha izany. Efa nigadona any Paris, omaly, izy. Hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Paris” izay hanomboka ny sabotsy 3 febroary izao. Hitohy avy hatrany amin’ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Training Camp International” mandritra ny efatra andro izany, ho azy. Ny federasiona frantsain’ny Judo no mikarakara ity fanazaran-tena ity ka anisan’ny nahazo fanasana hiatrika izany i Laura. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Judo, i Bruno Eric Said, fa tsy misy azo ajanona ireo fiofanana sy fifaninanana mbola hatrehan’i Laura, mialoha ny lalao Olympika ireo. Mampihena indray ny isany, hoy izy, ny mety tsy fandraisany anjara amin’ny iray amin’izany. Miezaka hatrany, araka izany, ny federasiona mijery ny fomba rehetra sy ny hoenti-manana, izay nisaoran’ny filohan’ny FMJ manokana ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny komity olympika, izay mitondra ny anjara birikiny ihany koa.
Aorian’ny lalao afrikanina, hatao any Ghana, mbola hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy seniors, ny volana avrily izao, Rasoanaivo Razafy Laura. Atleta anisan’ny antenaina sy manana ny herijika rehetra hiatrehana ny lalao olympika ity judokas malagasy ity, izy izay tompondakan’i Afrika no sady laharana voalohany maneran-tany, sokajy Juniors, amin’io taranja io.
Mi.Raz