Miala sasatra ireo ekipa mbola manohy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024), anio alakamisy. Efa fantatra avokoa ireo 8 hiatrika ny ampahefa-dalana, manomboka rahampitso zoma. Nisehoan’ny vokatra tsy nampoizina ity “Can 2024” ity, araka ny fandinihan’ireo manampahaizana momba ny baolina kitra. Sambany mantsy vao tsy nisy firenena magrebianina tafita amin’ny ampahefa-dalana. Raha tsiahivina, tsy nivoaka vondrona i Tunisie sy i Algérie. Raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa i Egypte sy i Maroc.
Nosakanan’i Afrika Atsimo, teo amin’io dingana io, ny talata lasa teo, tao amin’ny kianja San Pedro, ry zareo Maraokanina “mondialiste 2022”. Resin’ny Bafana Bafana, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0.
Nigeria, Mali, RD Congo, Cap-Vert, Côte d’Ivoire, Afrika Atsimo, Guinée, Angola. Ireo ny ekipa 8 tafita amin’ny ampahefa-dalana. Hotanterahina rahampitso zoma 2 sy ny sabotsy 3 febroary izany dingana izany.
Tompondaka
Fandaharan-dalao ampahefa-dalana
Zoma 2 febroary
Kianja Le Felicia
08:00 – Nigeria vs Angola
Kianja Alassane Ouattara
11:00 – RD Congo vs Guinée
Sabotsy 3 febroary
Kianja Bouaké
08:00 – Mali vs Côte d’Ivoire
Kianja Charles Konan Banny Yamoussoukro
11 :00 – Afrika Atsimo vs Cap-Vert