Lehilahy 39 taona, maty nihosin-dra niharan’ny vono, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nitsirara teo amoron-dalana ny fatiny.
Nivoa-dra teo amin’ny lohany! Raim-pianakaviana iray hita faty tao amoron-dalana tao amin’ny fokontany Betaikomby, kaominina ambanivohitra Marotampona, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiaka nitsirara tamin’ny tany. Nikoropaka nampandre ny manodidina io nahita maso io. Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Nozahana ny razana. Tataka ny faritry ny lohan’ilay raim-pianakaviana. Nozahan’ny mpitsabo, nahitana diam-pamaky teo aminy. Tsy nahitana na inona na inona afa-tsy ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io teo amin’ny lalana nisy azy.
Novonoina andro alina…
Ahian’ireo manodidina ho niharan’ny vono nataon’olon-tsy fantatra nandritra ny alin’ ny 31 janoary hifohy ny 1 febroary teo io lehilahy io. Mponin’ny fokontany nahitana ny fatiny ihany io raim-pianakaviana io. Mijanona ho baraingo ny anton’ny namonoana azy hatramin’izao. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Marotampona. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana azy. Marihina fa tsy sambany nitrangana asan-jiolahy sy ny vono olona toy izao ao an-toerana.
Tsiferana R.




