TSELATRA

Tovolahy 16 taona voasambotry ny polisin’ny SAG teny Anosibe, omaly. Mpanendaka ireo mpandeha an-tongotra sy mpandeha taxi-be eny amin’ny manodidina ity tratra ity. Niezaka nandositra izy saingy tsy lasa alavitra.

Zaza amam-bolana maty voalaza ho lanin’ny voalavo tao Sampanan’Andranovisy, Antsirabe, afakomaly alina. Nisy fifamaliana teo amin’ny ray aman-dreniny, araka ny nambaran’ny manodidina. Nanamafy tamin’ny manodidina anefa ny renin’ny zaza fa nohanin’ny voalavo io zanany io. Tsy fantatra mazava ny anton’ny nahafaty ilay zaza.

Renim-pianakaviana iray hita faty tsy nisy voamaso roa tao amin’ny fokontany Antaravay Salimo, Toliara, omaly maraina. Novonoin’ireo tsy mataho-tody io vehivavy io ary nesoriny ny masony roa. Voatsatoka zava-maranitra ny tratrany.

Mpanendaka telo lahy voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Antsahatsiresy-Be­mahatazana, kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany. Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy ireo ka tratra.

Partager sur: