Ny olona no olana

 

Miroso tsikelikely amin’ny fametrahana ireo mpikambana handrafitra ny ekipa, hamita ny iraka, ny fiadidiana ny Repoblika sy ny primatiora. Efa mipoitra ireo mpamono baolina, ny irakiraka, indrindra ny mpiandry vodilaharana. Mandeha tsimoramora ny fifantenana. Misy ny ekipa manao be fiavy amin’ny fanesorana sy fanoloana mpilalao. Misy ny tsy taitaitra saingy manilika tsikelikely izay heverina fa tsy tena namana sy tsy ahavita izay iraka ankinina aminy.
Mazava be ny fitsipi-dalao, mila mandresy sy mandrombaka ny amboara ny Filohan’ny Repoblika amin’ity fotoam-pitondrany faharoa ity. Iza no mahita ? Mbola azo eritreretina rahateo ny mety hisian’ny fanalavam-potoana raha misy ny tsy maintsy ilana izany. Tsy hita izay hanovana raha hita fa mahomby sy tafapetraka tokoa ilay fampandrosoana tiana hahomby.
Ny marina anefa, raha ny zava-misy eto Madagasi­kara amin’izao fotoana izao,  tsy ny olona ihany no olana. Ny kianja ilalaovana mihitsy no kisilasila sy feno fahalo­vana. Manjaka ny fitanilan’ny mpitsara. Manjaka ny kitranoantranon’ny mpifantina. Miraviravy tanana ny mpilalao izay manam-piniavana saingy voasompatry ny mahita­hita.
Samy manampatra ny fahefany izay manana izany, mba hahafahany manjaka tokana sy misalobon-komana. Zary tsy misy mandeha araka ny tokony izy avy eo ny asa sy ny iraka ankinina amin’ny olom-boatendry. Misy aza tsy mahafehy akory ny toerana ipetrahany. Izay miezaka ny mahavita indray no somparana sy hanaovana tsindry. Asa ? Tsy matoky tena !
Firifiry amin’ny olom-boatendry izao no tena mipe­traka amin’ny toerana sahaza azy, indrindra ny teknisia­nina ? Zary hijerena loko politika ny fanendrena fa tsy hizahana ny mombamomba ilay olona. Na iza na iza
teknisianina anefa, rehefa mamita ny iraka ankinina aminy, manaraka ny loko politika avy hatrany.

r.r

Partager sur: