Fihariana : tanora 110 niofana fiompiana trondro

Tombony ho an’ny fampiroboroboana ny fihariana ny fahazoana fiofanana hanatsarana ny seha-pamokarana. Tanora sy mpiompy trondro 110 mianadahy nisitraka fiofanana tetsy Ampandrianomby, omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro ny hetsika. Nampahafantarana an’ireo mpiofana tamin’izany ny karazana fiompiana trondro misy sy mety eto Madagasikara hatramin’ny fikarakarana rehetra ilaina amin’izany. Nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanatanterahana ny fiofanana ireo teknisiana avy amin’ny APDRA, ny tetikasa fihariana, ny orinasa ARBIOCHEM sy ny AGRIVAL izay mpamokatra sakafon-trondro. Mbola hisy ny fiofanana manaraka mahakasika ity seha-pihariana ity eto amin’ny faritra Analamanga hanentanana sahady ireo izay liana rehetra. Marihina fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny sehatry ny jono. Mbola malalaka ity seha-pihariana ity eto amintsika ka azo atao ho asa fivelomana tsara, atao vadin’asa ary ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tanjona hapetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny fampiakarana ny fiompiana trondro sy ny fihinana izany eto Madagasikara.

Henintsoa H.

Partager sur: