Loharanon-karena mifototra amin’ny olona, fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Ireo no andry telon’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tanjona napetraka ao amin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny fampiakarana ny harinkarena faobe ho 4,5%.
Hotohizana daholo ny tetikasa toy ny fanamboarana ny “autoroute”, ny “Flyover”, ny teleferika, ny Tana-masoandro, ny lalana RN13, RN10, RN6, RN31. Mitohy koa ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Laharam-pahamehana ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina, ny fifamoivoizana an-dranomamy, sns.
Tsy maintsy ho tratra ny hambolena vary 100.000 ha fanampiny, napetraky ny fanjakana. Amin’ny alalan’ny fambolena midadasika hampiasana fitaovana vaventy indostrialy no hanatrarana izany, mba hahavitan-tena ara-tsakafo, ka hitombo 10% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ny fambolena, ary ho 1 hatramin’ny 2% ny PIB ankapobeny.
Vonona ny hiara-dia amin’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria. Hanomboka avy hatrany ny asa, araka ny fifanekena niarahan’ny roa tonta.