Piment Café – Mahery sy Nanie. Haverina anio alina indray ilay fiarahana an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fampiaraham-peo maromaro no nalahatr’izy ireo, volana vitsivitsy lasa izay. Maro mpankafy izany ka betsaka ireo nangataka famerenana. Hanao ny hirany manokana ihany koa izy mianadahy ireto.
M’Lam – Ho an’i Mikakely. Mitohy hatrany ny fanampiana sy fanentanan’ireo mpanakanto ho an’ity namana tojo tsy fahasalamana ity. Anjaran-dry Bodo, Nini Kiaka, Lola, Ken, Farakely, sns, indray no manafana ny sehatra etsy Manakambahiny anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva. Hisy hatrany ny vata handrotsahana izay foy ao an-toerana.
Efa ao anaty fanomanana tanteraka ny “Festival Fanorona d’Ambohidratrimo”, ny mpikarakara sy ny Tomponandraikitra amin’izany. Eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Ambohidratrimo, ny 10 sy 11 febroary 2024, no hanaovana izany. Amin’ity andiany voalohany ity, ny avy eo amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo no mifaninana amin’izany.
Tanterahina rahampitso, eny amin’ny IFM Analakely, ao anatin’ny hetsika “Conversation litteraire”, ny tafa iarahana amin-dRamanankavana Elie, Malagasy mpaka sary pika, iresahana mahakasika ny boky “Jacques Rabemananjara, l’oeuvre poétiques”. Mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny haikanto sy haisoratra maro samihafa ihany koa no hiatrika izany.




