Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny lalao afrikanina, andiany faha-13 hatao any Accra Ghana, ny 8 hatramin’ny 25 marsa izao. Resy lahatra ny fitondram-panjakana rehefa namelabelatra sy nanazava ny maha zava-dehibe ity fifaninanana ity ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, teny Iavoloha. Niarahana nahita ny fahombiazan’ny atleta malagasy nandritra ny “lalaon’ny Nosy” farany teo, natao teto Madagasikara, teo ihany koa ny “lalaon’ ny Frankofonia” ary ny “Afrobasket 3×3”. Mbola afaka manome ny tsara kokoa, araka izany, ny atleta malagasy amin’ity lalao afrikanina ity ka vonona ny handefa solontena ny fanjakana. Taranja maro no hananan’i Madagasikara vintana hahazo medaly, anisan’izany ny Judo, izay handraisan-dRasoanaivo Razafy Laura anjara. Tsiahivina fa mbola hivory sy hihaona amin’ny federasiona tsirairay izay handray anjara amin’ity lalao afrikanina ity ny eo anivon’ny minisitera hijerena ny fandaminana rehetra tokony hatao sy ny fanomanana.
Mi.Raz