Ady amin’ny Kidnapping: hisy ny hetsika “Harato”, ataon’ny tafika sy ny zandary

Mihantsy ny mpitandro filaminana ny jiolahy mpaka an-keriny ao Ankazobe. Manao andiany am-polony maro ry zalahy. Vokany, hanomboka ny hetsika “Harato II”, hamongorana azy ireo.

 Tsy milamina Ankazobe ! Na tsy mikely soroka aza ny zandary sy ny tafika amin’ny famongorana ny asan-jiolahy. Tsy mahafay an-dry zalahy ny sazy henjana avoakan’ny fitsarana. Raha mahavotsotra takalonaina ny zandary, maka an-keriny avy hatrany ry zalahy. Boribory vetaveta eo. Manoloana izany, efa manomboka ny  hetsika manokana hoenti-mamongotra ny fakana olona an-keriny na ny “Harato II”.

Ampiasaina avokoa ny fitaovana rehetra eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana : ny fiara, ny fitaovam-piadiana, hatramin’ny helikoptera. Hanana ny toby famaharana ao Ankazobe izy ireo, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny filaminana sy ny angom-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravoavy Zafisambatra. « Hetsika manokana ataon’ny Emmo/Reg Analamanga sy ny Emmo/Far Antananarivo manoloana ny tsy fandriampahalemana sesilany ao amin’ny distrikan’Ankazobe ny Opération Harato II », hoy izy. Nambarany fa miaraka manao ny hetsika « Harato II » avokoa ireo Emmo/Reg amin’ny faritra rehetra manodidina an’Ankazobe, anisan’izany Alaotra Mangoro sy Bongolava. Miaramila an-jatony, araka izany, no napetraka ao amin’ny tobimiaramila iombonan’ny zandary sy ny Tafika ao Tamponketsa.

Maro ny vokatra efa azo…

Efa nahita vokatra sahady ireo miaramila mpanao hetsika “Harato II ». Olona 11 (telo vavy sy valo lahy) nosamborina. Efa natolotra ny fampanoavana izy ireo. Voalaza fa tsy mijanona ao Ankazobe ny hetsika. Mipaka aty Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’izany ny fahatrarana ireo jiolahy mitam-piadiana. « Manome toky ny mponina izahay, indrindra ireo eny ambanivohitra, fa hanao izay tratry ny herinay hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana », hoy ny Jly Ravoavy.

J.C

Partager sur: