Hiara-hisalahy hanatanteraka ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria.
Vonona hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Nifanaiky tamin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ny sehatra tsy miankina ho an’ny fanatanterahana ny asa sy ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. « Manana fanantenana hahazo voka-tsoa eo amin’ny fanohanana ireo orinasa sy ny sehatra indostrialy Malagasy, amin’ny alalan’ny asa rehetra hifanomezan-tanana sy ny asa rehetra mbola miandry, hiarahana ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara izahay », hoy ny Filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana, nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, tetsy Ambohidahy, ny alakamisy teo.
Fampandrosoana
Fanoitry ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Noho izany, miantso ny vondron’ny indostria malagasy ny minisitra hiara-hiasa ao anatin’ny fandaharanasan’ny taninketsa indostrialy hifanampiana amin’ny mpandraharaha malagasy. Indrindra ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny seha-piarian’ny tantsaha. Tanjona ny hampihena ny fanafarantsika vokatra avy any ivelany sy ny fanjifana ny vita malagasy. « Tsy tokony hifanalavitra fa hifanakaiky foana, ahitan’ireo mpampiasa vola, ny fahavononana sy ny fandrindrana iraisan’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy hatrany ny minisitra.
Henintsoa Hani