Vono olona: ankizivavy 14 taona hita faty tao anaty tatatra

Fatim-behivavy iray nifangaro tamin’ny fako, tao amin’ny lakandrano ao Antarandolo, Fianarantsoa, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra tongotr’olona nipoitra teo amin’ny fako anaty rano. Nitangorona ny manodidina nijery ny zava-nisy. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana izy ireo. Nakarina tao anatin’ny ranom-potoka io vatana mangatsiaka io. Ankizivavy vao 14 taona io hita faty io. Efa nifampitadiavan’ny fianakaviany izy nanomboka ny harivan’ny alakamisy 1 janoary. Nozahan’ny mpitsabo ny vatana mangatsiakany ka nahitana ra teo amin’ny fivaviany. Tsy nisy tampon-kenatra rahateo ny tapany ambany. Ahin’ireo akaiky azy ho niharan’ny fanolanana io ankizy io ary natsipy tao anaty rano rehefa vita ny filan-dratsin’ireo tsy mataho-tody. Nanokatra ny fanadihadiana lalina momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Marihina, halefa sesitany sy ho vosirina ireo mpanolana atsy ho atsy taorian’ny fahalanian-dalàna, tetsy amin’ny Antenimierampirenena, omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: