Haka fanapahan-kevitra tsy ho ela ny fitondrana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote, araka ny nambaran’ny Praiminisitra teny Tsimbazaza, afakomaly. “Hiaraha-midinika amin’ny Ceni izany. Horaisina ny fanapahan-kevitra aorian’izany“, hoy izy.
Efa eto an-tanindrazana ary nandray ny ambasadaoron’i Inde ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Nanolotra « Panneaux solaires » ho an’ny Antenimiera ny tenany tamin’izany ary nijery ny fivoaran’ny asa fametrahana izany ny masoivoho.
Niditra an-tsehatra nanamboatra lalana eny Atome Mandroseza ny depiote Randrianarisoa Stanisla (Rastany) na tsy anjarany aza ny manao izany. Velon-taraina ny mponina ka noraisiny ny andraikitra hamaivanana ny fahasahiranan’ireo mpampiasa lalana.
Hamboly hazo eny Imerikasinina ny eo anivon’ny antoko Tim, anio. Hitarika izany eny an-toerana ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc. Hanana ny hambarany manoloana ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao ny tenany.