Hiverina ny oram-baratra manerana ny Nosy manomboka rahampitso hatramin’ny alatsinainy. Ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo, nandritra ity herinandro ity. Ho an’ny telo andro ho avy, vinavinaina ho ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra.
Tonga teny amin’ny “Amphithéâtre Ampefiloha et Annexes” ny tomponandraikitra androany zoma 2 febroary 2024, nampihatra ny didy N°213/CEP, tamin’ny 27 décembre 2023 sy ny didy N°145/CRECS, tamin’ny 27 décembre 2023 izay manome rariny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hanapaka ny fifanarahana momba ny fampiasana io toerana io.
Hanomboka ny dingana farany amin’ny fanatanterahana ny fikarohana ny “Data must speak” tohanan’ny Unicef. Tanjona ny hanamafisana ny fahaizan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, mba hahazoana vokatra eo amin’ny fampianarana sy handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ny seha-pitantanana.