Orinasa Star: Kojakojan-trano ho an’ny sekoly 5

Na eo aza ny maha orinasa ny Star, misy ny tetikasa manokana ho an’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Ao anatin’izany ny fanampiana ny traboina sy ny hanarenana ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza Alvaro farany teo, any amin’ny kaominina sady distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana.

Sekoly dimy, ny EPP Tsinjorano, Belitsake, Mamono, Mangolovolo ary ny CEG Jefson Jonasy, no nisitraka fitaovana fanamboaran-trano, natolotra ny 1 febroary teo. Nandray ny fanampiana ny talen’ny Varotra, faritra Atsimo Andrefana, ary nisolo tena ny mpanolotra, ny talen’ny masoivoho Star Toliara. Nilaza ny talen’ny serasera Star, Rtoa Randriambolamanana Seheno, fa « maneho ny fandraisan’ny Star andraikitra lalandava ny hetsika toy izao. Sady fanomezan-danja ny sehatry ny fanampiana malagasy. Antenaina fa hiverina hianatra any an-tsekoly haingana ny mpianatra ».

Misy koa ny fanampiana samihafa ho an’ireo sekoly traboina any Manakara sy Ihosy izay ho tanterahina.

Njaka A.

Partager sur: