Toekarena manga: tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena

Natao omaly 2 febroary, teny Ampandrianomby, ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) sy ny Banky iraisam-pirenena. Nanatanteraka izany ny teknisiana avy amin’ny roa tonta, niresaka ny voarakitry ny Paikadim-pirenena ny toekarena manga eto Madagasikara.

Anisan’ny nisongadina ao anatin’ity paikadim-pirenena ity ny fisian’ny komity marolafy mandrindra ny salohy hampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina (CEBGO). Hamolavola ny paikady ity komity ity sady indrindra hijery ny fomba hanatanterahina azy. Maro ny asa sy ny andraikitra miandry, mahasahana ny sehatra isan-tsokajiny, ka ilana ny fiaraha-mientan’ny rehetra.

Manohana ny Banky iraisam-pirenena

Mankasitraka ity hetsika iray ity ny Banky iraisam-pirenena, noho ny finiavana nataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Vonona ny hifanome tanana amin’ny fiaraha-miasa rehetra azo atao ity rafitra iraisam-pirenena ity, hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana sy ny fampiharana ny paikady novolavolaina. Mbola hitohy ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta, handrindrana ny laharam-pahamehana sy ny firindran’ny tetikasa hatao.

Tsiahivina fa efa nisy hatramin’ny taona 2000, 2002, 2009,… ny fandaharanasa iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena hampiroboroboana ny Toekarena.

Njaka A.

Partager sur: