Ski alpin – « Mondial Junior 2024 »: Solontena malagasy i Mathieu Neumuller

Notanterahina nanomboka omaly hatramin’ny anio, any Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2024”, taranja ski alpin, sokajy juniors. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity, i Mathieu Neumuller.  Araka ny fikarohana natao, miisa 160 ireo mpifaninana amin’ity Malagasy mpilalao ski ity, any amin’ny “Ski des Gets”, Morzine, Avoriaz, Chatel, Saint Jean d’Aulp.

Tanjony  amin’ity lalao ity ny ho ao anatin’ireo 100 voalohany “Top 100”, Mondial juniors. Tsiahivina fa tamin’ny faran’ny volana janoary lasa teo izy, nahazo ny laharana faha-55 amin’ireo mpifanintsana 160. Tsara ny mampahafantatra fa ny taona 2022, efa nandray anjara tamin’ny lalao olympika, natao tany Beijing Chine, ny tenany. 20 taona ankehitriny i Mathieu Neumuller, ary ao amin’ny klioba SC Deux Alpes France.  Tsara marihina fa ny taona 2023, tany Courchevel France nandraisan’i Mathieu Neumuller anjara voalohany tamin’ny “Mondial ski alpin”. Nahazo ny laharana faha-48 tamin’ireo atleta 51 nanao famaranana izy tamin’izany.

F.R

Partager sur: