Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fisarihana ho an’ny fifaninanam-pirenena N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Ekipa 12 lahy sy 12 vavy no hiady ny lohany.
Nivoaka ofisialy ireo ekipa hifaninana izay notsinjaraina faritra roa. Misy ny faritra Atsinanana sy faritra afovoany. Ho an’ny faritra Atsinanana, ny Ascut Atsinanana, Cospn Analamanga, SBBC Boeny, Cosfa Analamanga, BCB Boeny ary Fanalamanga Alaotra Mangoro no hifanintsana eo amin’ny sokajy lehilahy. Eo amin’ny vehivavy kosa, ny ekipan’ny Ascut Atsinanana, ny GNBC Analamanga, ny TGBC Betsiboka, Fandrefiala Analamanga, Tamifa Amoron’i Mania ary ny USJFM Atsimo Andrefana no hifanandrina. Tsiahivina fa ny 1 hatramin’ny 9 jona izao no hanaovana ny fifaninanana ho an’ny faritra Atsinanana, any Toamasina.
Ho an’ny faritra afovoany kosa, tazana ao amin’ny sokajy lehilahy ny SBC Vakinankaratra, ny GNBC Analamanga, ny TGBC Betsiboka, ny ASS Menabe, ny NGB Itasy ary ny MBC Atsinanana. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hifaninana ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, ny MB2All Analamanga, ny Ankaratra Vakinankaratra, ny Fandrasa Matsiatra Ambony, ny BTBBA Diana ary ny Serasera Vakinankaratra. Araka ny fantatra, any Antsirabe ny hanaovana ny fifaninanana ho an’ny faritra afovoany, ny 15 hatramin’ny 23 jona izao. Fifanintsanana no hatao amin’io volana jona ho an’ireo faritra roa. Ny 26 septambra hatramin’ny 6 oktobra kosa ny hanaovana ny Elites 8 ho an’ny sokajy lehilahy sy ny dingana famaranana ho an’ny sokajy vehivavy, amin’ity fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A ity.
Aorian’ny N1A, hiditra avy hatrany amin’ny fifaninanana N1B ny programan’ny federasiona malagasin’ny basikety, ny volana jolay 2024. Hitohy amin’ny fifaninanam-pirenena U14 sy U16, lahy sy vavy izany, ny volana jolay sy aogositra 2024.
Mi.Raz