“Rdj Mozika”! Ceasar, mpanakanton’ny taona 2023

Fotoan-dehibe ho an’ny mpanakanto. Tontosa omaly ny “RDJ 2023”, nankasitrahana ny mpanakanto noho ny sanganasany izay nofidian’ny mpankafy ho mendrika. Nisongadina indrindra tamin’izany i Ceasar.

“Iiiii… Na iza na iza maheno izay, dia mamaly ho azy hoe «Aaaa». Rariny loatra raha nahazo ny «Titre de l’année» tamin’ny «Rdj Mozika 2023», na ny hira nisongadina indrindra tamin’
iny taona iny, araka ny safidin’ny mpankafy sy ny mpihaino ny onjampeo, ity sanganasan’i Wawa ity. Fotoan-dehibe ho an’ireo mpanakanto aloha, ny omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Vory tao avokoa, na ireo zokiny efa nametraka teo amin’ny tontolon’ny zavakanto, na ireo zandry mahaleo mahalasana, toky sy hoavin’ny mozika ma­lagasy.
Fa i Ceasar no voahosotra ho «Mpanakanton’ny taona 2023». Nisongadina ihany koa ity mpanakanto ity tamin’iny taona iny. Hira roa farafahakeliny ny azy no nalaza ary tena be mpankafy, tao anatin’ny taona iray. Vetivety ny niakaran’i Ceasar tao anatin’ny tontolon’ny matihanina, kanefa noho ny asa sy ezaka nataony no nahazoany izao anaram-boninahitra izao.
Nomem-boninahitra ihany koa i Rossy, izay nahazo ny “Trophée d’honneur”. Eo ihany ny mahazoky azy amin’ny mozika, fa indrindra mbola nametraka ny naha matihanina amin’ny fampisehoana azy ny tarika Rossy, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny seho. Tsy fanomezana ny amboara isaky ny sokajy fotsiny ny tontosa omaly, fa nisy koa ny fampisehoana. Nifan­dimby nanafana ny fotoana ry Njara Marcel, Minah Boli­makoa, sns. Teo amin’ny sokajy sasany, singanina ma­nokana ry Tence Mena nahazo ny amboara “variété solo” tamin’ilay hira “Jalouxine”, “Ambadika amaray bonne année”, an’i Mad max, sokajy “mafana”, “Hiafiako” an’i Njara Marcel, sokajy “Variété Solo”, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: