Poa-basy teny Tsiadana : Sergent namono rafozana, nitolo-batana

Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nataon’ny vinantolahiny ny ramatoa iray 62 taona teny amin’ny fokontany Tsiadana, boriborintany faha-II, omaly. Nitolo-batana ilay nahavanon-doza.

Voan’ny bala teo amin’ny faritry ny masony ankavia, namoy ny ainy, ny renim-pianakaviana iray tao amin‘ny fokontany Tsiadana, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Poa-basy vao ma­raina no ren’ny mponina ma­nodidina. Nisy fifamaliana teo amin‘ny lehilahy iray, miara­mila miasa eo anivon’ny Bat Para sy ny sakaizany. « Tsy nahazaka hisaraka tamin’ity sakaizany ilay lehilahy », hoy ny loharanom-baovao teny an-toerana. Niezaka niaro ny zanany vavy anefa ilay renim-pianakaviana izay miara-mo­nina amin’ilay vehivavy. « Efa niteny tamin’ilay lehilahy mba handeha io ramatoa io. Na­nambana fitaovam-piadiana ary nikasa hamono mivantana an’ilay sakaizany anefa ilay miaramila », araka ny fanazavana. Nirefotra intelo ny basy. Voan’ny bala teo amin’ny fa­ritry ny lohany ny renin’ilay vehivavy izay niaro an-janany vavy. Tsy tana intsony ny ain’ ity farany vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Nikoropaka namonjy io olona voan’ny bala io ireo manodidina. Nando­sitra ilay nahavanon-doza.
Nitolo-batana

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fitarainana nataon’ny fianakaviana nanatri-maso ny habibiana. Nitolo-batana ka naterin’ny lehibeny teny amin’ny mpitandro filaminana misahana ny ady heloka bevava ny nahavanon-doza. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra, efa nandefa hafatra miafina nilaza fa ha­mono ho faty an’ilay sakaizany amin’ny basy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook ity Sergent ity. Nota­zomina atao famotorana ity farany. Niroso tamin’ny fikarakarana ny nofo manga­tsiaka an’ ilay renim-piana­kaviana namoy ny ainy ny havany. Andrasana ny tohin’ ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Na­moaka fanambarana ny eo anivon’ny Tafika Malagasy fa tsy miombona amin’ny fan­di­kan-dalàna na fihetsika ataon’ olona iray, na iza na iza.

Tsiferana R.

Partager sur: