Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny fampisehoana nanokafana ny faha-20 taonan’ny tarika Tana Gospel Choir (TGC). Fanokafana fotsiny moa iny fampisehoana iny fa ny 19 mey 2024 no fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany. Araka ny nambaran-dRabearisoa Fidy, tomponandraikitry ny tarika, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely no nanatanterahin’ny TGC ny fampisehoana voalohany, 5 volana taorian’ny nitsanganan’ny tarika. Izany no nisafidianana io toerana io nanaovana iny fampisehoana iny. Natao nitovy tamin’ny hira tamin’izany andro izany ihany koa ny hira nokaloina, omaly.
4 Febroary 2004, 4 febroary 2024. Feno 20 taona katroka omaly ny TGC. Nifanome fotoana teny amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fianakaviamben’ny tarika nankalaza izany. “Izy ihany no omem-boninahitra mandrakizay! Amen”, io no andian-teny entin’izy ireo manamarika izao hetsika izao. Raha ny mahakasika ny fampisehoana manokana, nasehon’ny tarika tokoa ny maha matihanina azy. Tsiahivina fa efa taranaka fahenina amin’ny tarika no mandrafitra ny TGC amin’
izao. Na teo aza anefa izany, mbola voatazona ny maha izy sy ny nahafantarana azy ireo hatramin’izay.
Hetsika maro no efa nomanin’ny tomponandraikitra, entina manamarika ny faha-20 taonany, atao eto Antananarivo, amin’ity taona 2024 ity.
Lin