Nanamarika ny herinandro madiva hifarana, ny fotoam-pitsarana ireo olona rehetra voasambotra nandritra ny hetsika fotsy, ny volana oktobra sy novambra 2023. Nisy ny mpanao fihetsiketsehana, nidina an-dalambe nanampy ny vondron’ny kandidà 11. Teo ny mpitarika sendikà, mpampianatra mpikaroka teny amin’ny oniversité. Manginy fotsiny ny manamboninahitra ambony izay nampangaina fa saika hikomy sy hanohintohina ny fiandrianam-panjakana.
Nisesisesy ny famoahana ny didim-pitsarana, nifanaraka tamin’ireo tranga isan-tsokajiny ireo. Natao laharam-pahamehana, nifanandrify tamin’ny fisokafan’ny taom-pitsarana 2024 ny mahakasika izany. Nazava ny didy nivoaka, niompana tamin’ny fampitandremana. Tsy nisy ny sazy mihatra fa sazy mihantona sy fanaraha-maso ataon’ny fitsarana avokoa izy rehetra. Midika izany fa mitady fitoniana ilay fitondram-panjakana, na tsy mijabaka amin’ny raharaham-pitsarana aza ny mpanatanteraka. Mazava koa ny toeran’ny fitsarana, izay tsy manao politika.
Miditra fotoam-pitondrana vaovao izao i Madagasikara. Midika izany, fa manomboka fiaingana vaovao ihany koa. Miezaka mamafa ny tokotanin’ny tsy fahombiazana sy ny lotoloto navelan’ny mpiara-miasa teo aloha ny manam-pahefana. Mitady ny fomba hanatsarana ny dimy taona ho avy. Miezaka ny mametraka demokrasia tena izy sy ny fahaiza-mitantana anaty mangarahara.
Tsy mijanona amin’ny fanadiovana ny fomba fiasa anefa, fa hatramin’ny olombelona hiantsehatra. Iaraha-mahalala fa maromaro ihany izay diso fanantenana izay. Nisy ny nanantena fizarana mofomamy avy hatrany. Maro no diso kajy tany anaty fizaran-tseza.
Tsy misy intsony ny mahitahita, tsy hoe mpitolona dia ampy. Mitaky traikefa sy fahafehezana ny asa manomboka izao.
r.r