Tratra ny fetr’isa amin’ny fanangonan-tsonia hitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra sy ny governemanta. Handaniana izany rahampitso ny fifidianana azon’ny besinimaro hatrehina.
Miisa 80 mahery ny sonia voangona amin’ny fahazoan’ ny Antenimierampirenena manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta, omaly atoandro. Nihoatra ny 100 izany ny tolakandro raha ny antsasa-manilan’ny depiote miisa 151 no ilaina. Tafapetraka eny anivon’ny birao maharitra araka izany ny antontan-taratasy mirakitra izany. “Tsy misy aloha ny fizarana vola. Izany hatrany ny fomba famonoana afo. Fa misy raha ny fanangonan-tsonia ary efa feno izany hahazoana manao fitsipahan-pitokisana”, hoy ny depiote IRD, Antananarivo V, Raholdina Naivo, teny Tsimbazaza, omaly.
Misy minisitra tsy izy amin’ny governemanta. “Ny filoha Rajoelina no tohanako, fa tsy ny governemanta na ny minisitra”, hoy izy. Fotoana tokony hanaovana fanatsarana izao. Misy minisitra tsy mahavita azy, tsy mamaly ny hetahetam-bahoaka nefa ho avy ny fifidianana. Tsy maintsy fitsipaham-pitokisana no atao, fa tsy misy fitsipaham-pitokisana amin’ny ampahany. “Tsy te hanan-dratsy izahay. Mba hahatanteraka 100% ny veliranon’ny filohan’ny Repoblika, tsy maintsy ilaina ny fanovana ao anatin’ny governemanta”, hoy ihany izy.
Mihasahirana ny vahoaka
“Efa ela no tokony ho napetraka ny fitsipaham-pitokisana”, hoy ny filohan’ny vondrona parlemantera Tim, Ralambozafimbololona Fetra. Efa herintaona sy tapany no nanaovan-dry zareo antso tamin’izany, talohan’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2021. Misy antony efa nambara sy notanisaina tao anatin’izany, fa vitsy an’isa ry zareo ka tsy nisy nihaino. “Nefa miharihary izao fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny firenena. Tsy misy tanteraka ny ankamaroan’ny fampanantenana natao, mihasahirana ny vahoaka”, hoy izy.
“Tena nanao be ny Praiminisitra hatramin’izay. Toy ny mpanao baolina ihany io: mila soloina kely mba hahazo angovo vaovao ny firenena, fa miasa irery ny filohan’ny Repoblika”, hoy ny depiote IRD, Ratsivahiny Andry. Tsy famadihana ny filohan’ny Repoblika izany, fa ny vahoaka no mahita hoe: aiza ny Praiminisitra amin’izao?
Fandraisana andraikitra
Ahoana ny fivoriana nikaton-trano niantsoan’ny Antenimiera ny Praiminisitra sy ny minisitry ny Toekerana sy ny fitantanam-bola teny Tsimbazaza, afakomaly? “Tsy hoe fandaminana fa fandraisana andraikitra”, hoy ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle. Nifanarahana fa samy mamoaka teknisianina ny Antenimierampirenena sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola, miara-mikaondoha sy mitady vahaolana.
Adidy azon’ny depiote sy ny Antenimierampirenena atao ny fitsipaham-pitokisana, fa ao anatin’ny andraikiny. Manara-maso ny asan’ny governemanta izany ary manontany na manao fanairana, raha misy tsy mahafa-po na tsy mety ny fiainam-pirenena ankapobeny.
Samy mahita sy mahatsapa ny rehetra izao: mihetsika ny atsy sy ny aroa fa tsy mandray vola. Ny governemanta sy ny Praiminisitra tsy hoe vao nandalo teo amin’ny fitantanan-draharaha, efa dimy taona latsaka. Matoa sahirana amin’ny vola ny kitapom-bolam-panjakana: mahomby sa tsia ny fitantanana? “Anjarantsika rehetra ny mandinika”, hoy izy. Hiadiana hevitra sy ifandresen-dahatra eny Tsimbazaza ny zoma izao ny momba ny firosoana amin’ny fitsipaha-pitokisana ny governemanta.
R. Nd. sy Synèse R.
Naneho hevitra ireo depiote rehetra voafidy any amin’ny faritanin’i Toliary. Ahitana ny faritra Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Menabe. ” Manamafy ny fanohanana tsy misy fepetra ny filoha Rajoelina Andry. Saro-piaro amin’ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana izahay amin’ny hitohizan’ny fampandrosoana efa miparitaka manarena ny faritra sy eran’ny Nosy. Maneho firaisankina izahay ka mitsipaka ny fitsipaha-pitokisana atao amin’ny governepmanta”, hoy ny mpitarika azy ireo, ny depiote Jean Michel Henri, teny Tsimbazaza.