Fikambanan’ny Antenimiera : tsy afa-nanatrika ny fivorian’ny Sadc i Madagasikara

“Matoa isika miditra ao anatin’io fikambanana io, tokony hanaja ny fepetra rehetra. Ny mampalahelo: raha tsy afa-nandeha hanatrika ny fivoriana isika, tokony ho nampahafantatra mialoha ny antony”, hoy ny depiote, i Masy Goulamaly, ny amin’ny tsy fandraisana anjaran’ny fikambanan’ny Antenimera sy ny teknisanina malagasy amin’ny fivoriana eo anivon’ny Sadc tanterahina any Kins­hasa hatramin’ny 11 desambra.
Ny 4 desambra ny farany tokony ho nandehanan-dry zareo, fa ny 5 desambra ny fanombohana ofisialy, nanaovana fifampiraharahana tamin’ny fomba tatsy sy taroa mba handehanana. Nambaran’ny eo anivon’ny Sadc hoe rehefa fivoriana atrehina mivantana tsy misy ny fampitan-davitra.
Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’izany, andinihana an’ireo fepetra momba ny fandriampahalemana. Eo koa ny amin’ny volavolan-dalàna mo­mba ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena eo anivon’ny Sadc. Misy koa ny fifidianana ny ho mpikamban’ny birao amin’izao fivoriana izao. Ifandimbiasana ny fandraisana andraikitra amin’izany. Efa nisy tolo-kevitra, ohatra, eo anivon’ny Sadc fa ny filohan’ny Antenimieram­pirenen­tsika no hatao filohan’ny Sadc. Tsy afa-manatrika ny fivoriana anefa isika izao.

R. Nd.

Partager sur: