Azon’ny Antenimierampirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny governemanta amin’ny alalan’ny latsabato fitsipaham-pitokisana, araka ny voalazan’ny And. 103 ao amin’ny lalàmpanorenana. Tsy azo raisina anefa ny tolo-kevitra toy izany, raha tsy ny antsasaky ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena no manao sonia azy. Solombavambahoaka miisa 76 amin’ny 151 no ilaina amin’izany.
Valo amby efapolo ora aorian’ny fametrahana ny tolo-kevitra hotapahina vao azo atao ny latsabato ny amin’izay fitsipaham-pitokisana izay. Tsy lany ny fitsipaham-pitokisana raha tsy ny roa ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena no mankato azy. Solombavambahoaka miisa 101 izany raha tiana ho trtatra ny tanjona. Raha voafidy eo anivon’ny Antenimierampirenena izay fitsipaham-pitokisana izay, mametraka ny fialany amin’ny filohan’ny Repoblika ny governemanta.
Raha ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza amin’izao, efa mihoatra lavitra amin’ny fetr’isa ilaina ny fahazoan’ny Antenimierampirenena manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Hanao ahoana kosa ny latsa-bato, fa hita ho mihazakazaka ny toe-draharaha tao anatin’ny 48 ora farany? Mila manana solombavambahoaka 50 mahery ny Praiminisitra, raha te hitana ny andraikiny ka tsy ho tratran’izay fitsipaham-pitokisana izay. Hanao ahoana?
R. Nd.