Vokatry ny fitiavan-karena, nanaraman’ny anadahiny mpamono olona ny vehivavy iray. Nolerana antsy sy novelesina tamin’ny fanoto izy. 2 000 000 Ar no karaman’ny olon-dratsy.
Renim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano novonoin’ny anadahiny iray tampo aminy tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kominina ambonivohitr’ i Vatomandry, ny 4 febroary teo. Hita faty tao an-tokantranony ny renim-pianakaviana iray 52 taona izay mipetra-drery ny alatsinainy maraina 5 febroary lasa teo. Nandefa vola hanaovan’io reniny io trano ny zanany monina any am-pitandranomasina, ny volana janoary teo. “Nanarama olona hanao trano, noho izany, ity renim-pianakaviana ity ka ireo mpiasa ireo no notambazan’ny anadahiny vola mba hanampitra ny ainy”, raha ny fanadihadiana sy angom-baovao nalaina teo anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, tamin’ny alalan’ny kaomisera, Rajaobelina Herizo. Nivantana tao amin’ilay anadahin’io ramatoa io ireo mpanao trano telo lahy, ny 4 febroary. Ny alin’io ihany, niditra an-keriny tao amin’ilay tranon’io renim-pianakaviana io izy telo lahy. Novelesin’izy ireo fanoto sy notsatohany antsy. Maty tsy tra-drano ilay ramatoa.
2 tapitrisa Ar…
Nokaramaina 2 tapitrisa Ar izy telo lahy ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Nitoroka ny atidoha nikotrika ny famonoana ireo mpanao trano ireo ka fantatra fa ilay anadahin’io ramatoa io ihany izany. Niakatra fampanoavana taorian’ny fanadihadiana lalina ireo olona voasaringotra ireo ka notanana vonjimaika any am-ponja.
Sajo/ Tsiferana R.