Lycée Ankadikely Ilafy: mpianatra 10 vavy torana tao an-tsekoly

Ankizivavy am-polony niara-torana tampoka taorian’ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo tetsy amin’ny Lycée Moderna Ankadikely Ilafy, omaly. Azon’ny tsy fahasalamana tampoka izy ireo. Fito vavy, mpianatra amin’ny taona faharoa no niaraka nihetsika tampoka ny aretiny. “Tratrin’ilay aretina Spasmophilie ny dimy tamin’ireo mpianatra ireo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy ny fanazavan’ny talen’ ny Lycée, Razananoro Michelle. Nisy ny fanentanana manokana ireo mpianatra nataon’ny mpiara-miasa amin’ny sekoly taorian’ny fananganan-tsaina. Niseho tampoka ny voina, vantany tafiditra tao an-dakilasy ireo mpianatra ireo. “Efa nahavita fananganan-tsaina, efa nipetraka tao anatin’ny trano fianarana ireo ankizy vao nihetsika ny aretina”, hoy hatrany ny tomponandraikitry ny Lycée. Ankoatra ireo ankizivavy dimy torana tampoka ireo, mpianatra roa hafa manana aretina koa safotra. “Voan’ny kiste ny iray ary avy voan’ny tazo ny iray hafa”, araka ny fanamafisan’ny tale hatrany. Taitra noho ny fahitana ny fahavoazan’ireo namany, tsy nahatsiaro tena ny vehivavy telo hafa. Ankizivavy manodidina ny 16 sy 17 taona ireo azon’ny tsy fahasalamana tampoka ireo. Nanoloana ny tranga, nanampy ny tao amin’ny Lycée ny kaominina. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ireo ankizy. “Tafaverina soa aman-tsara amin’ny ray aman-dreniny avokoa ireo zaza taorian’ny fitsaboana”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanànan’Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah.

Tsiferana R.

Partager sur: