FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo andiany Miatrika, niofana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana teo anivon’ny Enam, ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Navoaka ny faran’ny herinandro teo izy 100 mianadahy nahazo izany mari-pahaizana ma­nokana izany.

Nifandinika momba ny hampandehanana ny asa eo anivon’ny minisitera ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ireo sendikà amin’
izany departemanta izany. Voaresaka ny hijerena ny lafiny sosialy sy ny fiahiana ny mpiasa ary koa ny tsy hisian’ny fanilihana.

Naneho firaisankina ho an’ny mponina sy ny ta­noran’Ambohimanarina ny depiote, Andriamampan­dry Todisoa. Nanolotra omby mifahy roa sy ondry 5 ho an’ireo mpilalao baolina kitra zokiny sy ireo tanora ny tenany, ny faran’ny herinandro teo.

Miantso ny mbola haha kandidà an-dRabe­manan­tsoa Herilala Jeannot ny vahoaka any Belo ambonin’i Tsiribihina. Depiote amperinasa, voafidy
amin’ny anaran’ny IRD ny tenany amin’izao fotoana izao. Maro ny ezaka vitan’ny fitondrana any an-toerana.

Partager sur: