Efa maka bahana. Niofana momba ny politika sy ny fahaiza-mitarika ireo mpikatroka Tim, any Toamasina. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tao Ankirihiry izany, notarihin’ireo tompon’andraikitry ny antoko Tim avy amin’ny faritra Atsinanana. Nisy ihany koa ny fifampitam-baovao momba ny fandaharan’asan’ny antoko sy ny toromarika ho fanohizana sy fanatsarana ny asa rehetra atao eny anivon’ny fokontany. Manampy izany ny momba ny fanentanana amin’ ny fiatrehana ny fifidianana sy ny fiandrasana toromarika avy amin’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc. Tafiditra ao anatin’ izao hetsika izao ny fameloma-maso sy ny fampiroboroboana ny antoko. “Sahy sy mino ary mijoro isika”, hoy ireo tompon’ andraikitry ny Tim, any an-toerana.
Tsiahivina fa samy efa miroso tsikelikely amin’ izany avokoa ireo mpikambana Tim eny anivon’ny faritra amin’izao fotoana izao.
Synèse R.