RN4 : mpangalatra fiara voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 420+200, ny lehilahy iray sy ny fiara halatra, ny 22 febroary teo. Nentin’io mpamily io ny fiara nanomboka ny 21 febroary teo. Nitsena ny zanaky ny mpampiasa azy io lehilahy io ary tsy hita intsony taorian’izay. Tsy tratra antso, izy izay nametrahan’ny tompon’ny fiara fitoki­sana. Niezaka nikaroka ny fiara ny tompony. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana tao Andoharano­fotsy. Tsikaritry ny tsara sitrapo fa nihazo ny lalam-pirenena fahefatra io fiara io. Nandrindra ny fiaraha-miasa amin’ny zandary teny amin’io lalam-pirenena io avy hatrany ny zandarimaria Andoharanofotsy. Vokany, sarona nandritra ny fisavana teny an-dalana ilay mpamily sy ny fiara halatra nentiny. Nentina natao famotorana avy hatrany io lehilahy io. Naverina amin’ny tompony ny fiara.

Tsiferana R.

Partager sur: