Hotontosaina ny alahady ho avy izao eny Ambohidava Antananarivo, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja “Motocross 2024”, sokajy “élite 1”. Hampiavaka ity fifanintsanana ity ny fisian’ ireo vahiny avy any La Réunion hifanintsana amin’ireo Malagasy mpilalao.
Tsiahivina fa nanjakan’i Mathias Plantive, Malagasy mpilalao moto, tanteraka ny dingana voalohany sy faharoan’ity fifaninanana nasionaly ity. Ary hiezaka hatrany izy ny hiaro ny anaram-boninahitra efa azony nandritra ny taom-pilalaovana 2023. Tsara ny mampahafantatra fa laharana voalohany ny tenany, amin’izao fotoana izao. Eo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida ary fahatelo, Rakotoarimanana Randy.
Marihina fa ny 28 janoary lasa teo, teny Ambohidava, ny dingana voalohan’ity “Moto Cross Mada 2024” ity. Ny 11 febroary teo, tany Antsirabe, ny faharoa. Ankoatra izay, hisy ny lalao ho an’ny sokajy hafa, anisan’izany ny 50 cc, 55 cc, 85 cc, “Junior”, ny “vétérants 1 sy 2”, ny “Amateur”. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 23 jona 2024 ho avy izao ny “Grand Prix d’Ilakaka”, araka ny vaovao nampitan’ny Federasiona malagasin’ny moto (FMAM).
Fitia Randria