Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny Mpihiragasy eto Madagasikara. Miisa 5 ireo nofidina: Ranaivonantenaina Tojo (Ambatonapoaka), Ratovoelison Jean Baptiste (Arivonimamo), Rabemanantsoa Valomanana (Fenoarivo), Florent Randriamarolafy (Manalalondo) ary Ramanankarivo Jean José (Sahondrafinina zanany). 109 ny mpifidy voasoratra anarana ka ny 107 tamin’ireo no tonga nandatsa-bato. Lany tamin’ny isam-bato 47 tamin’ny 107, nanome ny isan-jato 43,92% Ranaivonantenaina Fanomezantsia Tojonirina Mamy Etienne.
Izy indray izany no filohan’ny federasion’ny Mpihiragasy eto Madagasikara mandritra ny dimy taona. Araka izany, Ranaivonantenaina Tojo no filoha. Ramanankarivo Jean José, avy amin’ny tarika Sahondrafinina zanany kosa no filoha lefitra, izay nahazo vato 38, manome ny salanisa 35%. Noho izany, izy mirahalahy ireto no mandrafitra ny birao maharitry ny hiragasy manerana an’i Madagasikara, hatramin’ny taona 2029.
Zo ny Aina