Ambohidrabiby: anisan’ny fototra niaingan’ ny tantaran’Imerina

“Ambohidrabiby, hasin’Imerina”. Izany no manambara ny maha vohitra manana ny maha izy azy sy mampiavaka azy eto Imerina. An­koatra ny ma­ha anisan’ny vohitra 12 ity toerana ity, niavaka ara-tantara koa izy.

Raha ny mahakasika ny tanàna, Ankotrokotroka no anaran’iny vohitra iny tamin’izany andro izany. Ala mikitroka fonenan’An­driana­kotroka izay vazimba teny an-toerana. Ny taona 1500, nanafika ny tanànan’ Ankotrokotroka i Habiby na Rabiby. Ara-tantara, arabo izy ary vaky ny sambo nitondra azy ka izay no nahatongavany teto. Niditra avy any Maroan­tsetra ary niakatra tao Anjo­zorobe izy. Nalaza ho vahoaka maherisetra ny mponin’ Ankotrokotroka tamin’izany ka nanao joro (Vavaka), tao Fonohasina atsinanan’Am­bohidrabiby aloha Rabiby sy ny mpiara-dia aminy vao nananika ny vohitra avy ao Avaratra Atsinanana. Azon-dRabiby ny tanànan’An­ko­tro­ko­troka tamin’izany ary na­nomboka teo no nisy vahoaka nahandro sakafo sy namelona afo teo an-tanàna. Nanan­gana lapa izy ary nasiany vavahady efatra, izay ho an’ny Andriamanjaka ny avy aty Avaratra. Ho an’ny Hova ny avy Atsinanana. Ho an’ny mpanompo na ny mainty hoditra ny avy ao Atsimo ary ho an’ny sarababem-bahoaka ny avy Andrefana.
Nanambady an-dRamain­tsoakanjo Rabiby ary niteraka vehivavy roa. Ramaitsoanala no vavimatoa ary Rabefa­ra­volamanjaka no faravavy. Rehefa nanam-paniriana handrombaka ny voninahitry Rabiby Andriamanelo dia nalainy vady Ramaitsoanala, vavimatoa. Tanteraka izany ka nonina teny Alasora izy ireo. Niteraka an-dRalambo, rehefa tsy nety avokoa ny zaza enina teo alohan-dRalambo. «Hanamboarako lapa iray ianao raha hipetraka eto handimby ny fanjakako», hoy Rabiby tamin-dRalambo, raha izy ireo nifampitsidika iny, rehefa hadiva ho tapitra ny fanjakan-dRabiby.

Renivohitry ny fanjakan-dRalambo
Teo amin’ny faha-35 taonany Ralambo no nandova ny fanjakan-dRabiby, raibeny. Maro ny Jamoka (Omby), nirenireny fotsiny teny an-tanety sy tany anaty ala tany tamin’izany. Nisy fahamaizany anefa ny tanety ka may tao ny Jamoka. Manitra ary nahasarika ny mponina ny fofony ka nanandrana izy ireo. Rehefa naheno ny hatsarany dia nilaza tamin’ny Tandapa sy ny Mpanjaka Ralambo. Nankafy ihany koa ireto farany ka nanomboka teo no niompiana sy nihinanana ny Jamoka na ny Omby.
Niteraka an’Andrian­tom­po­koindrindra sy Andrianjaka ny mpanjaka Ralambo. Nisy ny fitsapana nataon-dRa­lambo azy mirahalahy ireto, mba hanomezana azy ireo fahefana. Raha efa izany, Andrianjaka no nahazo ny fahefana. Rehefa nampisafidianin-dRalambo rainy An­drian­jaka, ny amin’ny toerana anjakany. Nilaza izy hoe « Aleo iry vohitra ala manga iry no ahy » Analamanga amin’izao fotoana izao io toerana io. Arivolahy no natsatok’ Andrianjaka voalohany teny ary nomeny anarana hoe Tanànan’ny arivo ny toerana. Ara-tantara, nentin’ Andrianjaka teny avokoa ny fomba sy fanao teny Ambohidrabiby ka anisan’ny nahatonga ny hoe « Ambohidrabiby, hasin’Imerina ».

Ao anaty fanavaozana tanteraka ny toerana
Mbola tazana eny Ambohidrabiby, amin’izao fotoana ny vavahady efatra nampiasaina tamin’izany. Eo ihany koa ny fasana misy ireo mpanjaka nanjaka teny, ary ny Lapa nasiam-panavaozana. Hita eny ny fasan’ny mpanjaka Ralambo mivady, ny Mpanjaka Rabiby sy Ramaitsoakanjo vadiny, ary Rasendra, izay vadin’Andrianampoinimerina nonina teny Ambohidrabiby, sy ny taranany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eny an-toerana, ao anatin’ny fanajariana sy fikolokoloana ity toerana manana ny maha izy azy ity, ny taranany sy ny fitondram-panjakana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Efa nisy ny ezaka vita ary mbola hitohy izany. Mpianatra maro samihafa, mpikaroka sy mpandalina tantara, mpandala ny fomban-drazana, ary ny taranaky ny andriana, ireo no maro anisa amin’ireo tonga mitsidika ny toerana. “Ankoatra ny mpikaroka sy mpitsidika, misy ihany ireo mpandala ny fomban-drazana mangata-pitahiana sy manao ny fomba isan-karazany entina hanatsarana ny fiainana eny amin’ny Rovan’ Ambohidrabiby eny”, hoy i Dadazefa, mpiseradia ao amin’ny Rovan’Ambohidrabiby. 23 km miala an’Antananarivo Renivohitra no misy azy, manaraka iny lalam-pirenena fahatelo iny, misokatra ho an’ny rehetra amin’ny sarany mirary izany.

Nanatontosa : Lin

Partager sur: