Niditra tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy 2 marsa lasa teo, ny fiofanana “Sapeurs-pompiers”, ho an’ny mpitsara sy mpitantana toeram-pikotranana, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Manodidina ny 40 ireo tonga namaly ny antso ka niatrika ity fampiofanana nomen’ny Mpamonjy voina eny Tsaralalana ity. Tsiahivina fa tamin’ny 24 febroary no nanatanterahina ny andro voalohany ary mbola hisy sabotsy indroa hanohizana ny fiofanana. Ny Adjudant, Radotseheno Zico, no nizara ny traikefa nandritra ireo sabotsy roa voalohany ireo, ho an’ireo Malagasy teknisiana eo amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Ny fihetsika voalohany mila atao sy ny fototra amin’ny resaka vonjy voina no nianarana tamin’ny andro voalohany. Nohamafisin’ny mpampiofana fa tena ilaina eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ny fahafehezana ny vonjy voina, indrindra raha sendra ny tampoka eo am-panaovana fifaninanana. Anisan’ny voakasik’izany ny mpisehatra eo amin’ny haiady, toy ny JJB. Afaka mamonjy avy hatrany izay tra-doza eny ambony tatami ireo niatrika fiofanana “Sapeurs-famonjena voina, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpampiofana. Tsiahivina fa angady nananana sy vy nahitana ity fampiofanana ity ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ ny Jiu-jitsu breziliana izay miezaka hatrany mitady izay hampivoarana ity taranja ity.
Mi.Raz