Ekena fa ny vola no hozatry ny fiainana, araka ny oha-pitenena malagasy. Tsy misy zavatra mandeha tokoa raha tsy eo io singa iray io. Hiankinan’ny seha-pihariana rehetra ny vola saingy manimba zavatra maro ihany koa raha tena omena laka. Anisan’ny miteniteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao, eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Sady mampandeha no mampikatso ny fiasany. Misy ireo manankatao tonga ao anatin’ny federasiona na ligy sy ny klioba. Olona tsy mahalala izay «bi» sy «ba», amin’ny fizotry ny fanatanjahantena akory fa noho ny vola dia tonga hitantana. Heverin-dry zareo fa natao hisehosehoana ny fitondrana ekipa na ny rantsa-mangaika ao anatin’ny fanatanjahantena. Mirobaroba am-boalohany fotsiny rehefa tafapetraka amin’ny toerana maha filoha fa mihena am-pandehanana ny hafainganam-pandehany. Lasa mpanambola, vola baoritra fotsiny.
Maro ny antony mahatonga izany fa ny fototry ny olana, noho izy ireo tsy mahalala akory ilay tontolo hidirany. Tonga ao vao midona amin’ny tolàna ka mahatsiaro mandraingiraingy. Eo vao tratry ny hoe: mpanambola vola baoritra. Nantenain-kanirina vao mampivandravandra, satria lasa mamotika zavatra maro ilay fideraderana am-piandohana. Simba voalohany ny mpilalao, niantehitra fa manana mpanohana hay sendra ny mpanambola, vola baoritra. Sary indray mipika ny ekipa ka toy ny angalisa rovi-kazo, anaran-tsy very sisa. Betsaka ireo miala an-daharana fa tsy mahavita ny taom-piasany satria mpanambola tsy misy vola akory. Ao anatin’ny fotoam-panavaozana ny komity mpitantana ny tontolon’ny fanatanjahantena ankehitriny, aleo mijery tsara fa tsy ho sendran’ny mpanambola, vola baoritra ka mandrava ny efa nitsangana.
Tompondaka