Rugby – « Super Coupe 2023 »: lasan’ny FTM Manjakaray ny amboara

Norombahin’ny FTM Man­jakaray ny amboaraben’ny “Super Coupe 2023”, taranja Rugby, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka. Resin’izy ireo tamin’ny isa tery 38 no ho 36 ny Cosfa miaramila. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, hita fa nifandanja tanteraka ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Ady sahala 21 no ho 21 no nentin’ireto ekipa roa ireto niala sasatra. Teo amin’ny fi­zaram-potoana faharoa, na­hatondra baolina nentin-tanana indroa i Koroka, mpilalaon’ny FTM, sady voatsarany avokoa izany ka lasa 38 no ho 21 ny isa. Niezaka nanenjika ny isa ry Zinot, mpilalaon’ny Cosfa sy ny namany, saingy nijanona teo amin’ny 36 ny isa azon’izy ireo. Araka izany, afa-bela tamin’ny miaramila ny ekipan’i Manjaka­ray. Tsia­hivina fa nahintsan’ny Cosfa teo amin’ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny FTM, ny taona 2023 lasa teo. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hanomboka amin’ny 17 marsa ho avy izao ny fifanin­tsanana Top 12, eny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka.

 

Fitia Randria

Ireo voka-dalao
rehetra omaly :
FTM (38) vs (36) Cosfa
TFA (33) vs (28) Tam Anosibe
USA Ankadifotsy (23) vs (45) Mang’Art
UASC (24) vs (20) FTBA

Partager sur: