Mamarana ny asa fananganana ny tobin’ny mpamonjy voina ao amin’ny oniversiten’Antananarivo ny orinasa miandraikitra izany amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny oniversite no ahafahana manao ny asa miaraka amin’ny Pnud. Tanjona ny hahafahana mifehy ny afo haingana raha sanatria misy firehetana eny an-toerana.
Zana-kazo ananambo, baobab, kily, Acacia ary hazo fihinam-boa maherin’ny 22 400 isa no hambolena ao amin’ny kaominina Fotadrevo sy Gogogogo ao amin’ny distrikan’Ampanihy. Maherin’ny 2 ha ny velaran-tany hambolena izany. Tanjona ny hanampiana ireo vondrom-piaraha-monina manoloana ny haintany any an-toerana.
Ho famerenan-kasina ny asam-panjakana eo imasom-bahoaka dia nihaona ny minisitry ny Asa sy ireo maintimolalin’ny sekoly mpanofana mpiasam-panjakana ambony (Enam), ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina. Tafiditra anatin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fanjakana tsara tantana sy ny tany tan-dalàna rahateo izany.
Miditra amin’ny roa volana fahefatra amin’ny taom-pianarana ny sekoly rehefa nahavita ny andron’ny sekoly. Mamarana ny fandaharam-pianarana no tena hatao amin’ity roa volana ity. Vitaina avokoa ireo lesona rehetra ary miditra tsikelikely amin’ny fanomanana ny fanadinana. Efa fikatrohana ny fanadinana tanteraka no hatao mandritra ny roa volana farany hoy ny mpampianatra.