Hatao ny 15 sy ny 16 marsa ho avy izao ny hetsika « Viavy film festival » eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Manohana azy mivantana ny Canal Plus Madagasikara, orinasa misehatra amin’ny fanapariahana ny fandaharana avoakan’ny televiziona eto an-toerana sy avy any ivelany.
Nambaran’Andriamintantsoa Koloina, tale sady mpiara-mitantana ny « Viavy film festival » fa anisan’ny hampiavaka ity hetsika ity ny hanomezan-danja ny vehivavy mpilalao sarimihetsika. Hifantohana ny indostrian’ny sarimihetsika eto Madagasikara mba ho tonga any amin’ny matihanina kokoa. Miisa enina ny atrikasa sady fiofanana mandritra ny roa andro ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao sarimihetsika. Hisy koa ny famelabelarana hataon-dRajaonarivelo Felana, mpaka sary matihanina, hizara ny traikefany mahakasika ny sehatry ny sarimihetsika sy ny horonantsary.
Anisan’ny hivoitra mandritra ireo atrikasa sy fizarana traikefa ireo ny fahalalana fototra momba ny sarimihetsika, ny voambolana sy ny teny ampiasaina ao anatin’ny horonantsary. Eo koa ny fifehezana ny feo sy ny hazavana na ny jiro ampiasaina, sns.
Tsy tokony ho olana ny ara-bola
Ho an’ny mpikarakara ny “Viavy film festival”, mila ifantohan’ny mpamorona sarimihetsika ny kalitao fa tsy tokony ho ny lafiny ara-bola ihany. Satria ny hatsarana no tena jeren’ny mpanohana sy ny mpiara-miombon’antoka voalohany. « Vonona ny hanohana ny Canal Plus Madagasikara, rehefa hita ny hatsaran’ny kalitao », hoy ihany izy ireo.
Manana 15 andro ny mpifaninana hanolorany ny vokatra avy any aminy.
Njaka A.