Niisa 9 ny mpiofana mahakasika ny fiompiana trondro, tany amin’ny kaominina Antsakoabe, distrika Antsiranana II, faritra Diana, ny 29 febroary teo. Tany lonaka mamokatra sady ahitana farihy tsy mety ritra miisa 10 any Antsakoabe no nojerena ny ahafahan’ny mponina manajary izany. Miisa 44 kosa ny mpiofana tany Beraketa, distrika Bekily, faritra Androy.
Azo aloa amin’ny alalan’ny finday, antsoina hoe #e_hetraphone ny hetra tambatra (Impôt syntetique). Amin’ny 31 marsa 2024 ho avy izao ny fe-potoana farany handoavana azy. Misy ny karazana ankamantatra karakarain’ny foiben-ketra ao amin’ny pejy fesibokiny “Direction générale des impôts”, mba hifehezan’ny rehetra ny tontolon’ny hetra.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiainana ny 3 marsa. Ho an’i Madagasikara, anisan’ny fomba nankalazana azy ny fanentanana sy ny fanairana ny sain’ny rehetra manoloana ny olana sy ny tsindry mahazo ny zavamananaina eto amintsika. Anisan’izany ny sokatra, ny varika, ny hazo sarobidy, … indrindra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny kolikoly.
Vinavinaina hitombo 3 ka hatramin’ny 5°C ny maripana eto an-tany amin’ny faran’ny taonjato faha -21 izao raha tsy misy ny fepetra raisina. Mitombo 1,5°C ihany anefa ny fetra azo iainana, ka hihena 5-20% ny rotsakorana manerana ny Nosy. Hitombo koa ny rivodoza vokatr’izany fiovan’ny toetr’andro izany.