Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Fitaratra Malaza Andoharanofotsy, ny lalao fanokafana ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ny federasiona sport boule malagasy (FSBM). Nisongadina ny ekipan’ny CBT Analamanga, teo amin’ny senior olona telo miaraka, lehilahy, nahitana an’i Doda sy i Hery ary i Kôla. Resin-dry zalahy teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 9, ny ekipan’ny BIC nisy an’i Nary, Daddy ary Tselonina.
Teo amin’ny vehivavy ho an’olon-droa, lasan’i Mirana sy i Hasina (Club Mixte) ny amboara raha nanilika an’i Tahina sy i Angela, mpilalaon’ ny C2BA Vakinankaratra, tamin’ny isa 13 no ho 5 izy ireo.
Ho an’ny “junior”, voalohany ny zandrikely avy amin’ny CBAT, nisy an’i Clarito sy i Franco izay nandresy an’i Nathanael sy i Christian avy amin’ny PAC, tamin’ny isa 13 no ho 7. Teo amin’ny sokajy zokiny, resin’i Fra sy i Riri (C2BA) teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 4, Radany sy Ralay (BIC). Ankoatra ny amboara azo, nanome fanomezana ho an’ireo mpandresy koa ny Telma. Nahatratra 187 ny isan’ny mpifaninana teo amin’ny “senior”, lehilahy, raha 48 ny vehivavy. 36 avy kosa ny teo amin’ny zandriny sy ny zokiny. Dingana manaraka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hatao ny volana mey ho avy izao.
Tompondaka