Lalaon’ny Nosy 2023: Atleta 100 mahery hiofana any ivelany

Efa tafiditra tanteraka anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara.
Atleta maherin’ny 100 amin’ny taranja samy hafa no hahazo fiofanana any ivelany,
hoy ny minisitra Tinoka Roberto.

“Homanina araka izay tratra ireo at­leta malagasy hi­atrika ny lalaon’ny Nosy, ny taona 2023”, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Tinoka Roberto. Hotsinjaraina hiatrika fiofanana any ivelany ireo atleta miisa 100 mahery ireo, ny volana feboary hatramin’ny volana mey 2023. Ny 30 amin’izy ireo hihazo an’i Dakar, ho an’ny taranja atletisma. Mpibata fonjamby 15, hihazo an’i Tonizia, mpitolona 20 hihazo an’i Bolgaria, 51 mianadahy (tenisy ambony latabatra, fibatana fonjamby, atletisma, badminton) kosa hihazo an’i Sina ary atleta 20 hafa ho any Paris, ho an’ny taranja “Lancer” sy lomano. Ny hahazoan’i Madagasikara medaly betsaka ny tanjona amin’izao fandefasana atleta izao. Eo an-dalam-pandinihana ny mahakasika ny taranja iraisana ihany koa ny MJS.
Ho an’ireo atleta mijanona eto an-toerana kosa, hisy ny expert hizara traikefa ho azy ireo, toy ny nataon’ny taranja tolona izay vao avy niatrika fiofanana nomen’ny Experte Anne Cathérine, izay nohamafisin’ny filohan’ny federasiona fa tafiditra ihany koa amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ka mpiofana 35 nisitraka izany.

Nanome toky ihany koa ny minisitra Tinoka Roberto fa ho eo akaikin’ny atleta hatrany amin’ izao fanomanana izao ary hanohana azy ireo amin’ny lafiny rehetra.

Mi.Raz

Partager sur: