Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ho filohan’ny Malagasy Rugby tany Toliara ka nahatafaverina indray an-dRakotomalala Marcel, hitantana izany dia nisy ny fanambarana nataon’ireo filohan’ny ligim-paritra tsy nandray anjara tamin’izany latsa-bato izany. “Tsy afaka mitonona ho mpitantana ny rugby eto Madagasikara, i Marcel satria tsy nankatoavin’ny World Rugby sy ny Rugby Afrique ary indrindra tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny fifidianana natao amboletra tany Toliara”, hoy izy ireo. Noho izany, manomana fivoriambe tsy ara-potoana ireo filohan’ny ligim-paritra rehetra, hitady ny fomba hanatsarana ny tontolon’ny rugby eto Madagasikara. Notsiahivin’ izy ireo fa 13 ny isan’ny ligy eto Madagasikara, nefa 4 monja no nandatsa-bato tany Toliara.
Mandra-piandry izany, hisy ny lalao hikatrohan’ ny Makis sy i La Réunion, amin’ ny alahady ho avy izao.
Torcelin